Jonah 2

Ny namonjena an’ i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony

1Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’ i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ ilay hazandrano hateloan’ andro sy hateloan’ alina. 2Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ ny hazandrano Jona 3ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita
Heb Shoela.
no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.
4Fa efa natsipinao tao amin’ ny lalina aho, Dia tao amin’ ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. 5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masìna ihany. 6Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. 7Tafalatsaka tany amin’ ny fanambanin’ ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô. 8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’ i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ ny tempolinao masìna. 9Izay mivavaka amin’ ny sampy
Heb zava-poana mandainga.
Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
Heb ny famindram-pony.
10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’ i Jehovah ny famonjena. 11Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ ny tany maina Jona.
Copyright information for Mg1865